Acts 28:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa satria notoherin’ny Jiosy izany dia voatery aho nilaza fa handahatra amin’i Kaisara, kanefa tsy toy ny manana teny hiampangako ny fireneko aho tsy akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa notoherin’ny Jody izany, ka voatery nangataka hotsarain’i Sezara aho; tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notoherin’ny Jiosy izany, ka dia voatery aho nampakatra ny raharaha tamin’ny amperôra rômanina, kanefa tsy misy amiko mihitsy izay hoe hiampanga ny fireneko.
Malagasy Bible 1865
Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa satria notoherin’ny Jiosy izany dia voatery aho nilaza fa handahatra amin’i Kaisara, kanefa tsy toy ny manana teny hiampangako ny fireneko aho tsy akory.
malagasy
Fa raha notoherin'ny Jiosy izany, dia tery aho ka nilaza fa handahatra amin'i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.