Acts 28:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao izahay ary tsy mbola nisy rahalahy nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia izao no navalin-dry zareo azy: «Tsy nahazo taratasy avy any Jodea milaza anao izahay; ary tsy nisy havana iray finoana tonga nanondro anao, na nanaratsy anao akory;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ry zareo taminy: –Tsy nisy taratasy momba anao, azonay avy any Jodea; ary tsy nisy koa rahalahy avy any mba nandrenesana ny aminao na niteny ratsy anao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia* milaza anao izahay ary tsy mbola nisy rahalahy nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
malagasy
Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;