Acts 28:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nifanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo dia maro no tonga tao aminy tao amin’ny toerana nivahinianany; ary izy dia nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra sady nitaona azy ireo tamin’ny teny ho amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany mba hino an’i Jesosy; vao maraina ka mandra-paharivan’ny andro no nanaovany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan’i Paoly ny fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva; sady ny teny ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany manambara an’i Jesoa ihany no nentiny nitaona azy ireo hino Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan ’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan'Andriamanitra hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva, ary ny teny eo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an'i Jesosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nifanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo dia maro no tonga tao aminy tao amin’ny toerana nivahinianany; ary izy dia nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra sady nitaona azy ireo tamin’ny teny ho amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany mba hino an’i Jesosy; vao maraina ka mandra-paharivan’ny andro no nanaovany izany.
malagasy