Acts 28:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa efa adala ny fon’ireo olona ireo, efa lalodalovana ny sofiny ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hahasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria efa nihadonto ny fon’io firenena io, efa nihamarenina ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, fandrao mahita ny masony, sy mandre ny sofiny, ary mahalala ny fony, ka ndeha hibebaka izy, ka tonga mahazo famonjena avy amiko.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina, ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre, ary ny fony hahafantatra, ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!»
Malagasy Bible 1865
Fa efa adala ny fon'ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho. (Isa. 6. 9, 10).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa efa adala ny fon’ireo olona ireo, efa lalodalovana ny sofiny ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hahasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10).
malagasy