Acts 28:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ny tanany dia nifampiresaka izy ireo hoe: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, koa na dia voavonjy tamin’ny ranomasina aza izy dia tsy avelan’ny todin’aina ho velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita ity bibilava niraviravy tamin’ny tanany ry zareo tompon-tany, dia nifampilaza hoe: «Tena mpamono olona mihitsy io lehilahy io, fa na afaka tamin’ny ranomasina aza, tsy avelan’ny fahamarinan’Andriamanitra ho velona intsony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’ny tompontany kosa ny bibilava niraviravy teny amin’ny tanan’i Paoly, dia nifampiresaka ry zareo hoe: –Tena mpamono olona raha io lehilahy io; anarany foana no voavonjy tamin’ny ranomasina izy, saingy tsy navelan’ny fitsaran’Andriamanitra ho velona.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hitan'ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin'ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin'ny ranomasina aza izy, tsy avelan'ny todin'aina ho velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hitan’ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ny tanany dia nifampiresaka izy ireo hoe: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, koa na dia voavonjy tamin’ny ranomasina aza izy dia tsy avelan’ny todin’aina ho velona.
malagasy