Acts 28:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanampo azy hivonto, na hiankarapoka ho faty tampoka ny olona; nefa rehefa niandry ela izy ireo ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’i Paoly dia niova hevitra izy ka nilaza fa andriamanitra io.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niandry ihany ny tompon-tany izay hahita azy mivonto, na hiankapoka maty tampoka; nefa nony hitany fa tsy naninon-tsy naninona akory izy, dia niova indray ny heviny, ka vaky nilaza hoe: «Isan’ny andriamanitra io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampoizin’ny olona hivonto na hikarapoka ho faty tampoka izy. Niandry ela ihany ry zareo ka nony nahita azy tsy naninon-tsy naninona, dia niova hevitra tanteraka, ka namerimberina hoe: «Isan’ireo andriamanitra io!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an'i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanampo azy hivonto, na hiankarapoka ho faty tampoka ny olona; nefa rehefa niandry ela izy ireo ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’i Paoly dia niova hevitra izy ka nilaza fa andriamanitra io.
malagasy