Acts 3:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahita izany i Petera dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Israelita, nahoana ianareo no talanjona amin’izao zavatra izao? Ary nahoana ianareo no mandinika anay sahala amin’ny hoe herinay na fahamasinanay no nahatonga azy ho afa-mandeha?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita izany i Piera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no mampamindra azy io?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: –Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?
Malagasy Bible 1865
Ary Petera, nony nahita, dia namaly ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Isiraely, nahoana no talanjona amin'izany ianareo? Ary nahoana no mandinika anay ianareo, toa herinay na fahamasinanay no nanaovanay azy ho afa-mandeha?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahita izany i Petera dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Israelita, nahoana ianareo no talanjona amin’izao zavatra izao? Ary nahoana ianareo no mandinika anay sahala amin’ny hoe herinay na fahamasinanay no nahatonga azy ho afa-mandeha?
malagasy