Acts 3:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra tao amin’ny tempoly;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny Tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-Tempoly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, dia nisy lehilahy malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Nentin’ny olona isan’andro ka napetrany teo izy mba hangataka fiantrana amin’izay olona miditra ao an-kianjan’ny tempoly.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isan'andro teo anoloan'ny vavahadin'ny tempoly, ilay atao hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin'izay niditra teo an-kianjan'ny tempoly;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra tao amin’ny tempoly;
malagasy