Acts 3:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony ka nanirahany Azy mba hitahiana anareo amin’ny fialanareo tsirairay avy amin’ny faharatsianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho anareo aloha no nampijoroan’Andriamanitra ny Mpanompony sady nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin’ny asa ratsinareo.
Malagasy Bible 1865
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony ka nanirahany Azy mba hitahiana anareo amin’ny fialanareo tsirairay avy amin’ny faharatsianareo.
malagasy
Andriamanitra, rehefa nanangana ny Mpanompony, dia naniraka Azy ho aminareo voalohany, mitahy anareo amin'ny fialanareo rehetra amin'ny faharatsianareo isam-batan'olona. [Na: ny Zanany]