Acts 3:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantsambotra izy ka nijoro dia nandeha ka niara-niditra taminy nankao amin’ny tempoly; sady nandehandeha nitsambikimbikina izy no nidera an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niantsàmbotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-Tempoly namindra sy niantsambotsàmbotra, ary nidera an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
niantsambotra izy dia nijoro ary nandeha. Niara-niditra tamin’i Petera sy i Jôhany tao an-kianjan’ny tempoly ralehilahy, sady nandeha no niantsambotsambotra ary nidera an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantsambotra izy ka nijoro dia nandeha ka niara-niditra taminy nankao amin’ny tempoly; sady nandehandeha nitsambikimbikina izy no nidera an’Andriamanitra.
malagasy
Ary niantsambotra izy ka nijoro, dia nitsangantsangana ary niara-niditra taminy ho eo an-kianjan'ny tempoly, nitsangantsangana ny niantsambotsambotra sady nidera an'Andriamanitra.