Acts 4:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana, kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, tamin’ny alalany no nitsanganan’io lehilahy sitrana io eto imasonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona, no nahasitrana io lehilahy mitsangana eto imasonareo io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy* avy any Nazareta, izay nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana, kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, tamin’ny alalany no nitsanganan’io lehilahy sitrana io eto imasonareo.
malagasy
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny olona Isiraely rehetra fa ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin'ny hazo fijaliana, fa natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty kosa, dia Izy no itsanganan'io lehilahy io finaritra eto imasonareo.