Acts 4:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nahita ny fahasahian’i Petera sy i Jaona izy ireo sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia gaga ry zareo nahita ity hasahian’i Piera sy i Joany, satria fantany fa sarambaben’olona sy tsy nahita fianarana izy roa lahy, ary tandriny koa fa olona efa niaraka tamin’i Jesoa izy ireo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa;
Malagasy Bible 1865
Ary nony nahita ny fahasahisahian'i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nahita ny fahasahian’i Petera sy i Jaona izy ireo sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.
malagasy