Acts 4:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa norahonany indray izy ireo dia nalefany satria tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; fa izy rehetra dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amin’ny zava-nitranga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, norahonany indray izy ireo, dia nalefany; fa tsy hitany izay hamaizany azy noho ny tahony ny vahoaka, izay efa nankalaza an’Andriamanitra daholo noho ny zavatra vao niseho teo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Norahonan’ireto manampahefana indray i Petera sy i Jôhany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa norahonany indray izy ireo dia nalefany satria tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; fa izy rehetra dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amin’ny zava-nitranga.
malagasy
Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao.