Acts 4:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra; tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
malagasy
[Ny nifankatiavan'ny mpianatra sy ny fahazotoany] Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.