Acts 5:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandre izany izy ireo dia nandeha vao maraina nankany amin’ny tempoly ka nampianatra. Nony tonga ny Mpisoronabe sy ny namany dia namory ny Sinedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’Israely ka naniraka olona nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apostoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra maraina koa tao amin’ny Tempoly ka nampianatra. Tonga kosa ny lehiben’ny mpisorona sy izay nomba azy ka namory ny Sanedrìna mbamin’ny loholona rehetra tamin’ny zanak’i Israely, ary naniraka nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apôstôly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanoa izany teny izany ny apôstôly, ka nankany an-kianjan’ny tempoly vao maraina be ary nampianatra. Tamy kosa ny mpisorombe sy ny mpiandany aminy ka namory ny Fitsarana ambony, izany hoe ny loholona rehetra teo amin’ny vahoaka israelita, ary naniraka mpandraharaha tany am-ponja haka ny apôstôly.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nandre izany izy, dia niditra maraina koa teo an-kianjan'ny tempoly ka nampianatra. Ary rehefa tonga ny mpisoronabe sy ny namany, dia nampiangona ny Synedriona sy ny loholona rehetra tamin'ny Zanak'isiraely izy ka naniraka nankao amin'ny tranomaizina haka ny Apostoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandre izany izy ireo dia nandeha vao maraina nankany amin’ny tempoly ka nampianatra. Nony tonga ny Mpisoronabe sy ny namany dia namory ny Sinedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’Israely ka naniraka olona nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apostoly.
malagasy