Acts 5:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nandre izany teny izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben’ny mpisorona dia sahiran-tsaina ny amin’izay ho vokatr’izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vaka dia vaka ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ry zareo lehiben’ny mpisorona nony nandre izany, satria tsy takany velively izay tokony ho nahatonga izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nandre izany teny izany ity lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny lohandoha-mpisorona, dia very hevitra ny amin’ireo apôstôly sy ny hiafaran’izao toe-javatra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nandre izany teny izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben’ny mpisorona dia sahiran-tsaina ny amin’izay ho vokatr’izany.
malagasy
Ary ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ny lohan'ny mpisorona, rehefa nandre izany teny izany, dia niroahana ny amin'izay ho faran'izany.