Acts 5:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hoe: Tsy efa noraranay mafy dia mafy va ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany? Kanefa indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo indray Jerosalema ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nataony hoe: –Noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin’ny anaran’iny Lehilahy iny; kanjo vao mainka nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema iray vohitra, ka satrinareo ho tompon’andraikitra amin’ny nahafatesan’iny Lehilahy iny izahay.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hoe: Efa noraranay mafy dia mafy ianareo tsy hampianatra amin'izany anarana izany; kanjo, indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema, ka tianareo hankinina aminay ny ran'izany Lehilahy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hoe: Tsy efa noraranay mafy dia mafy va ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany? Kanefa indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo indray Jerosalema ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.
malagasy