Acts 5:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana teo amin’ny Sinedriona ny Fariseo iray antsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ka nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nitsangana teo amin’ny Sanedrìna kosa ity Farisianina anankiray atao hoe Gamaliely, mpampiana-dalàna malaza tamin’ny vahoaka rehetra, ka nasainy navoaka kely ny Apôstôly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nisy Farisianina atao hoe Gamaliela, anisan-dry zareo sady mpahay lalàna heni-kaja tamin’ny vahoaka rehetra; nitsangana teo afovoan’ny Fitsarana ambony i Gamaliela, dia nasainy navoaka vetivety ireo apôstôly,
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana teo amin’ny Sinedriona ny Fariseo* iray antsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ka nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
malagasy
Dia nitsangana teo amin'ny Synedriona ny Fariseo anankiray atao hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin'ny olona rehetra, ary nasainy navoaka kely ireo olona ireo.