Acts 5:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fahiny dia nitsangana i Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efajato no isan’ny lehilahy izay niandany taminy; nefa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ary tonga tsinontsinona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy ela akory izay no nisehoan’i Teôdasy izay nanao ny tenany ho zavatra, sady efa nisy tokony ho efajato lahy no nomba azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka izay rehetra nanaraka azy ka tonga tsinontsinona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao tsy ela akory no nijoroan’i Teodasy, izay nanao ny tenany ho zavatra; nisy sahabo ho efajato lahy ireo niandany taminy. Novonoina izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy, ka tonga tsinontsinona.
Malagasy Bible 1865
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa nitsangana fahiny Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efa-jato no isan'ny lehilahy izay niandany taminy; fa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ka tonga tsinontsinona.