Acts 5:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanarakaraka azy indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana i Jodasy avy any Galilia; nitaona olona hikomy hanaraka azy izy; dia novonoina koa ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana koa i Jodasy avy any Galilea nitarika ny vahoaka hanaraka azy; kanjo nony novonoina izy, dia nihahaka ihany koa izay rehetra nomba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’i Teodasy, dia nijoro indray i Jodasy avy any Galilea, tamin’ny andron’ny fanisàm-bahoaka ary nahataona olona maro nanaraka azy. Novonoina koa izy, ary nihahaka izay rehetra nanaraka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanarakaraka azy indray, tamin'ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana Jodasy avy any Galilia; ary izy nitaona olona hikomy hanaraka azy; dia novonoina koa izy, ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanarakaraka azy indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana i Jodasy avy any Galilia; nitaona olona hikomy hanaraka azy izy; dia novonoina koa ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
malagasy