Acts 5:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy anao va ny tany? Ary rehefa lafo izy, moa tsy mbola eo ambany fahefanao va? Koa nahoana no nisaina izao zavatra izao tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao fa tamin’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fony mbola tsy namidy izy, moa tsy anao va? Ary nony efa namidy indray, moa tsy anao koa va ny vidiny? Ka ahoana no dia nahavitanao hevitra toy izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anao ange ny tany fony mbola tsy namidy, sady rehefa namidy dia eo am-pelatananao ny vola vidiny! Ka ahoana no dia nampisy tao am-ponao izao zavatra vitanao izao? Tsy olombelona no nandainganao, fa Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy anao va ny tany? Ary rehefa lafo izy, moa tsy mbola eo ambany fahefanao va? Koa nahoana no nisaina izao zavatra izao tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao fa tamin’Andriamanitra.
malagasy