Acts 5:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tokony ho adiny telo taorianan’izay dia niditra koa ny vadiny, tsy nahalala izay zava-nitranga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka tokony ho adim-pamantaranandro telo, dia inty tamy koa ny vavy, tsy nahalala izay nanjò teo akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sahabo ho adiny telo taorian’izany, dia tamy koa ny vavy, saingy tsy fantany izay vao nitranga teo.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tokony ho adiny telo taorianan’izay dia niditra koa ny vadiny, tsy nahalala izay zava-nitranga.
malagasy
Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo.