Acts 6:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nisy fimonomononan’ny Helenista tamin’ny Hebreo, satria tsy mba voajery tamin’ny fanampiana isanandro ny mpitondratenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany, rehefa nitombo ny isan’ny mpianatra, dia nimonjomonjo tamin’ny Hebrio ny Helenista, satria tsy mba nahîna loatra tamin’ny fizaràna ny fiantrana isan’andro ny mpitondratena tao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra, ka nifanditra tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaràna sakafo isan’andro.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nisy fimonomononan’ny Helenista tamin’ny Hebreo, satria tsy mba voajery tamin’ny fanampiana isanandro ny mpitondratenany.
malagasy
[Ny nifidianana ny fito lahy, sy ny nandrosoan'ny fiangonana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan'ny mpianatra, dia nimonomonona tamin'ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin'ny fiantrana isan'andro ny mpitondratenany.