Acts 7:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’i Farao, mpanjakan’i Ejipta; ary nanendry azy ho mpanapaka tany Ejipta sy tao an-dapany manontolo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.
Malagasy Bible 1865
ka nahafaka azy tamin'ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason'i Farao, mpanjakan'i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin'izay rehetra tao an-dapany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’i Farao, mpanjakan’i Ejipta; ary nanendry azy ho mpanapaka tany Ejipta sy tao an-dapany manontolo izy.
malagasy