Acts 7:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitson’iny dia niseho tamin’olona izay niady i Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka niteny hoe: Mpirahalahy ianareo, koa nahoana no miady?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampitson’iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: ‹Ry sakaiza, mpirahalahy ianareo, ka nahoana no dia mifamely?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ampitson’iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin’i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: «Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?»
Malagasy Bible 1865
Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitson’iny dia niseho tamin’olona izay niady i Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka niteny hoe: Mpirahalahy ianareo, koa nahoana no miady?
malagasy
Ary nony ampitson'iny dia niseho tamin'ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady?