Acts 7:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandositra i Mosesy noho izany teny izany ka nivahiny tany amin’ny tany Midiana, izay niterahany zanaka roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandositra i Mosesy noho izany teny izany ka nivahiny tany amin’ny tany Midiana, izay niterahany zanaka roa lahy.
malagasy
Ary tamin'izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin'ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy.