Acts 7:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany Mosesy izany ilay nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? Izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ny tanan’ny anjely, ilay niseho taminy teo amin’ny roimemy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Io ilay Môizy nolaviny sy nataony hoe: ‹Iza moa no nanendry an’ialahy ho mpifehy sy mpitsara?› Kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban’ilay Anjely niseho taminy tao amin’ny hazo kely milobolobo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy.
Malagasy Bible 1865
Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an'ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin'Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban'ny tanan'ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin'ny voaroy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany Mosesy izany ilay nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? Izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ny tanan’ny anjely, ilay niseho taminy teo amin’ny roimemy.
malagasy