Acts 7:43 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsia, fa nobatainareo ny tranolain’i Moloka sy ny kintan’i Refana andriamanitrareo, dia ny endri-javatra izay nataonareo mba hivavahana, koa hamindra anareo ho any ankoatra an’i Babilona Aho» (Amo 5.25-27).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsia, fa ny tranolain’i Môlôka no nentinareo sy ny kintan’i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin’i Babilôna kosa ianareo, araka izay voasoratra amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: Ry taranak’i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsia, fa nolanjainareo kosa ny tranolain’ny sampy atao hoe Môlôka sy ny sarin’ilay andriamanitrareo mitarehin-kintana atao hoe Refàna, dia ireo endri-javatra vitan’ny tananareo mba hivavahana. Noho izany, dia hataoko lasan-ko babo any andafin’i Babilôna ianareo.»
Malagasy Bible 1865
Tsia, fa nobetainareo ny tranolain'i Moloka sy ny kintan'ny andriamanitra atao hoe Refana, Dia ny endri-javatra izay nataonareo hivavahana, Ka dia hamindra anareo ho any ankoatr'i Babylona Aho (Amo. 5. 25-27).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsia, fa nobatainareo ny tranolain’i Moloka sy ny kintan’i Refana andriamanitrareo, dia ny endri-javatra izay nataonareo mba hivavahana, koa hamindra anareo ho any ankoatra an’i Babilona Aho» (Amo 5.25-27).
malagasy