Acts 7:45 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noraisin’ny razantsika izany ka noentiny niditra niaraka tamin’i Josoa tao amin’ny tanin’ny firenena izay noroahin’Andriamanitra hiala teo anoloan’ny razantsika hatramin’ny andron’i Davida;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia mbola noraisin’ireo razantsika tafaraka tamin’i Josoa ilay tranolay ary nentiny niditra tao amin’ny tany fananan’ireo hafa firenena; fa noroahin’Andriamanitra teo anoloan’ny razantsika manko ireo hafa firenena. Tao hatrany ilay tranolay mandra-pahatongan’ny andro nanjakan’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Izany koa dia noraisin'ny razantsika izay nandimby ireo, ka nentiny niditra niaraka tamin'i Josoa tamin'ny nahazoany ny tanin'ny firenena izay noroahin'Andriamanitra hiala teo anoloan'ny razantsika hatramin'ny andron'i Davida;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noraisin’ny razantsika izany ka noentiny niditra niaraka tamin’i Josoa tao amin’ny tanin’ny firenena izay noroahin’Andriamanitra hiala teo anoloan’ny razantsika hatramin’ny andron’i Davida;
malagasy