Acts 7:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomen’Andriamanitra azy koa ny fanekena ny amin’ny famorana. Dia niteraka an’Isaka i Abrahama ka namora azy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka dia niteraka an’i Jakoba, i Jakoba dia niteraka ny patriarka roa amby folo lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomeny fanekena amin’ny famorana i Abrahama, ka nony niteraka an’i Isaaka dia namora azy tamin’ny andro fahavalo; i Isaaka kosa niteraka sy namora an’i Jakôba, ary i Jakôba namora an’ireo Patriarka roa ambin’ny folo lahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.
Malagasy Bible 1865
Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomen’Andriamanitra azy koa ny fanekena ny amin’ny famorana. Dia niteraka an’Isaka i Abrahama ka namora azy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka dia niteraka an’i Jakoba, i Jakoba dia niteraka ny patriarka* roa amby folo lahy.
malagasy
Ary nomeny fanekena amin'ny famorana izy. Ary dia niteraka an'isaka izy ka namora azy tamin'ny andro fahavalo; ary Isaka niteraka an'i Jakoba, ary Jakoba niteraka ny patriarka roa ambin'ny folo lahy.