Acts 8:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo hoe: Mitsangàna ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, any an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy anjelin ’ny Tompo nanao tamin’i Filipo hoe: –Ndeha ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo hoe: Mitsangàna ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, any an-tany efitra.
malagasy
Ary nisy anjelin'ny Tompo nilaza tamin'i Filipo ka nanao hoe: Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo ho any amin'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza; dia efitra izany.