Acts 8:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha, ary indro, nisy lehilahy etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, izay mpitahiry ny harenany rehetra, tonga tany Jerosalema mba hivavaka;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia, olom-bositra sy manamboninahitra lehibe tao amin’i Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tao Jerosalema mba hivavaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiôpianina: izy io dia manamboninahitra tandapan’ny Kandasy (mpanjakavavin’i Etiôpia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka,
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha, ary indro, nisy lehilahy etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, izay mpitahiry ny harenany rehetra, tonga tany Jerosalema mba hivavaka;
malagasy
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha; ary, indro, nisy lehilahy Etiopiana, tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, sady mpitahiry ny hareny rehetra, ary tonga tany Jerosalema izy mba hivavaka;