Acts 8:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Filipo: Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao dia azo atao ihany. Ary namaly izy hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Filipo: «Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia azo atao ihany izany.» Ary namaly izy nanao hoe: «Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novalian’i Filipo hoe: –Raha amin’ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao. Ary hoy ilay tandapa: –Mino aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra.]
Malagasy Bible 1865
Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Filipo: Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao dia azo atao ihany. Ary namaly izy hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy* no Zanak’Andriamanitra.
malagasy
[ Ampio hoe: 37 Dia hoy Filipo: raha mino amin'ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany. Ary namaly izy ka nanao hoe: Mino aho fa Kristy no Zanak'Andriamanitra]