Acts 8:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy dia noentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; dia nanohy ny diany izy sady faly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tafakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo niala teo i Filipo. Tsy nahita azy intsony ilay tandapa, nefa nanohy ny diany tamin-kafaliana.
Malagasy Bible 1865
Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy dia noentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; dia nanohy ny diany izy sady faly.
malagasy
Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, dia nentin'ny Fanahin'ny Tompo Filipo ka tsy hitan'ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin'ny nalehany izy sady nifaly.Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin'ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria.