Acts 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona izay efa tao an-tanàna, mpitahiry ody izy io ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nilaza ny tenany ho lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Simôna, izay efa tao an-tanàna rahateo: mpamoha angatra nahatalanjona ny vahoakan’i Samaria izy io, ka nanao ny tenany ho zavatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin’izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran’i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona izay efa tao an-tanàna, mpitahiry ody izy io ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nilaza ny tenany ho lehibe.
malagasy
Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra;