Acts 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa i Ananiasy ka niditra tao an-trano ary nametra-tanana taminy sady niteny hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha i Anania, ka nony tonga tao an-trano, dia nametra-tanana taminy nanao hoe: «Ry Saoly rahalahy, i Jesoa Tompo Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, dia naniraka ahy mba hahiratra indray ianao sy ho feno ny Fanahy Masina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon’i Joda, ary nametra-tanana tamin’i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan’ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.
Malagasy Bible 1865
Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa i Ananiasy ka niditra tao an-trano ary nametra-tanana taminy sady niteny hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
malagasy