Acts 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny sinagoga any Damaskosy, mba hahazoany mitondra mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nangataka taratasy taminy ho an’ny sinagogan’i Damasy mba hitondrany am-patorana ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany lalana izany, na lahy na vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin’ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo, na lahy na vavy.
Malagasy Bible 1865
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny sinagoga* any Damaskosy, mba hahazoany mitondra mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
malagasy
ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.