Acts 9:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa vao mainka nitombo hery i Saoly ka nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy izy ary naneho marina fa Jesosy no Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao mainka nihanahery anefa i Saoly sy nandresy lahatra ny Jody nonina tao Damasy, naneho marimarina tamin’izy ireo fa i Jesoa no Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao mainka feno hery ny toritenin’i Saoly: nasehony marimarina fa i Jesoa no Mesia, hany ka resy lahatra ny Jiosy mponina tao Damasy.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa vao mainka nitombo hery i Saoly ka nandresy lahatra ny Jiosy* izay nonina tany Damaskosy izy ary naneho marina fa Jesosy no Kristy*.
malagasy
Ary Saoly mainka nihahery, dia nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy ka naneho marimarina fa Jesosy no Kristy. [ Gr. Ity]