Acts 9:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tany Jerosalema i Saoly dia nitady hiaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra azy izy rehetra ka tsy nino azy ho mpianatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tany Jerosalema i Saoly dia nitady hiaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra azy izy rehetra ka tsy nino azy ho mpianatra.
malagasy
Ary rehefa tonga tany Jerosalema Saoly, dia nitady hiray tamin'ny mpianatra; fa izy rehetra natahotra azy ka tsy nino azy ho mpianatra.