Acts 9:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa naka azy i Barnabasy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenany taminy ary ny nahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay nalain’i Baranabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy.
Malagasy Bible 1865
Fa Barnabasy naka azy ka nitondra azy ho any amin'ny Apostoly, dia nanambara taminy ny nahitany ny Tompo sy ny nitenenany taminy teny an-dalana ary ny fahasahiany nitory ny anaran'i Jesosy tany Damaskosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa naka azy i Barnabasy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenany taminy ary ny nahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.
malagasy