Acts 9:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita lehilahy iray teo izy, Enea no anarany, izay efa nandry nandritra ny valo taona teo am-parafara satria malemy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nahita lehilahy anankiray atao hoe Enea, izay nandry teo am-pandriana hatramin’ny valo taona, fa malemy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao no nahitany lehilahy malemy anankiray atao hoe Enea, efa valo taona nilamahana teo am-parafara.
Malagasy Bible 1865
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita lehilahy iray teo izy, Enea no anarany, izay efa nandry nandritra ny valo taona teo am-parafara satria malemy.
malagasy
Ary izy nahita lehilahy anankiray teo, atao hoe Enea, izay efa nandry valo taona teo am-parafara, fa mararin'ny paralysisa.