Acts 9:38 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria akaiky an’i Jopa i Lida dia ren’ny mpianatra fa efa tonga tao i Petera, ary naniraka roa lahy izy hangataka aminy hoe: Aza misalasala hankaty aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tanàna akaikin’i Jôpa moa i Lida; ka nony henon’ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.»
Malagasy Bible 1865
Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria akaiky an’i Jopa i Lida dia ren’ny mpianatra fa efa tonga tao i Petera, ary naniraka roa lahy izy hangataka aminy hoe: Aza misalasala hankaty aminay.
malagasy
Ary satria Lyda akaikin'i Jopa, ary ny mpianatra nandre fa efa tonga ao Petera, dia naniraka roa lahy izy hangataka azy hoe: Aza misalasala hankatỳ aminay.