Acts 9:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana i Petera ka nandeha niaraka tamin’ireo. Nony tonga izy dia noentiny tany an’efitra ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nitsangana i Piera ka niara-nandeha tamin’ireo. Nony tonga izy, dia nentiny tany amin’ny efitra ambony, ka nohodidinin’ny mpitondratena rehetra, izay sady nitomany no nampiseho taminy ny lamba aman’akanjo nataon’i Dôrkasy fony fahavelony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin’ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin’ny mpianatra ho any amin’ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an’i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon’i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana Petera ka nandeha niaraka taminy. Ary nony tonga izy, dia nentiny tany an-trano ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin'i Dorkasy fony fahavelony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana i Petera ka nandeha niaraka tamin’ireo. Nony tonga izy dia noentiny tany an’efitra ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony.
malagasy