Acts 9:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Navoakan’i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka niteny hoe: Ry Tabita, mitsangàna! Dia nahirany ny masony; ary rehefa nahita an’i Petera izy dia niarina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Navoakan’i Piera avokoa ny olona rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka, vao nanatrika ny faty nanao hoe: «Ry Tabità, mitsangàna.» Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe: –Ry Tabità, mitsangàna! Nahiratr’i Tabità ny masony, ary nahita an’i Petera izy dia niarina.
Malagasy Bible 1865
Ary navoak'i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka nanao hoe: Ry Tabita, mitsangàna. Dia nahirany ny masony; ary raha nahita an'i Petera izy, dia niarina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Navoakan’i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka niteny hoe: Ry Tabita, mitsangàna! Dia nahirany ny masony; ary rehefa nahita an’i Petera izy dia niarina.
malagasy