Amos 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy ka nofoanany ny fiantrany; mamiravira mandrakariva ny fahatezerany ary notahiriziny lalandava ny fahavinirany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy ka nofoanany ny fiantrany; mamiravira mandrakariva ny fahatezerany ary notahiriziny lalandava ny fahavinirany;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]