Amos 1:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria notatahany ny kibon’izay bevohoka tao Gileada mba hanitarany ny taniny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’ny taranak’i Amôna, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria notatahany ny kibon’ny vehivavy bevohoka teo Galaada, mba hanitarany ny faritaniny,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny Hamônita, fa indrindra ity anankiray ity: Notatahany ny kibon’ireo bevohòka tao Gilehada mba hanitarana faritany. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’ny taranak’i Amona, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria notatahany ny kibon’izay bevohoka tao Gileada mba hanitarany ny taniny;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]