Amos 1:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho ka handevona ireo lapany izany ary hisy horakoraka amin’ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hampirehitra afo ao ambonin’ny mandan’i Rahaba Aho, ka handevona ny lapany izany, eo amin’ny akoran’ady toy ny amin’ny andro iadiana, sy eo amin’ny rivo-mahery mitambolimbolina amin’ny andron’ny tafio-drivotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handefasako afo ny tanànan’i Rabà ka ho levon’izany ireo lapany; sady hisy akoran’ady amin’ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.
Malagasy Bible 1865
Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hampirehitra afo ao amin’ny mandan’i Raba Aho ka handevona ireo lapany izany ary hisy horakoraka amin’ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ny andron’ny tadio;
malagasy
Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.