Amos 1:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Avy ao Ziona NY TOMPO no mierona, ary avy ao Jerosalema Izy no mampikotroka ny feony. Misaona ny saha fiandrasana ondry ary maina ny tampon’i Karmela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Hamôsa hoe: Avy ao Tsiôna ny TOMPO no manerona ary avy ao Jerosalema Izy no manandra-peo. Dia malahelo ny saha fiandrasana biby fiompy ary maina ny tampon’i Karmela.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Avy ao Ziona NY TOMPO no mierona, ary avy ao Jerosalema Izy no mampikotroka ny feony. Misaona ny saha fiandrasana ondry ary maina ny tampon’i Karmela.
malagasy
[Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.