Amos 1:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Damasy, - ary noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria izy ireo nanorotoro an’i Galaada tamin’ny ambaràmbana vy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Damasy, fa indrindra ity anankiray ity: Novakivakîny tamin’ny hersa vy ny mponin’i Gilehada. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Noho ny fahotana telon’i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy hotsoahako ny fitsarana satria ragiragy vy no nanosihoseny an’i Gileada;
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]