Amos 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hotorotoroiko ny hidin’i Damaskosy, hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’i Avena ary hesoriko tao Bety-Edena izay mitana tehim-piandrianana; ho lasan-ko babo any Kira ny vahoakan’i Arama, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Homontsaniko ny hidin’i Damasa, haringako ny mponina ao Bikata Avena, ny mitana ny tehim-panjakana any Bet-Edena; ary hoentina babo ho any Kira ny vahoaka any Siria,» hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hopotehiko ny hidim-bavahadin’i Damasy; haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana; ary ny vahoakan’i Siria ho lasan-ko babo any Kira. Izaho Tompo no miteny.»
Malagasy Bible 1865
Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hotorotoroiko ny hidin’i Damaskosy, hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’i Avena ary hesoriko tao Bety-Edena izay mitana tehim-piandrianana; ho lasan-ko babo any Kira ny vahoakan’i Arama, hoy NY TOMPO.
malagasy
Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]